Filazantsara araka an'i Lioka 17:18
Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’ Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
There are not found that returned to give glory to God, save this stranger.
In Context
17Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?
19Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 17
Cross References
Psalms 50:23Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’ Andriamanitra.
Isaiah 42:12Aoka hanome voninahitra an’ i Jehovah izy Ary hitory ny fiderana Azy any amin’ ny nosy.
Matthew 8:12fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin’ ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Matthew 19:30Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
Revelation 14:7nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Matahora an’ Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’ izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.