Filazantsara araka an'i Lioka 17:26
Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And as it was in the days of Noe, so shall it be also in the days of the Son of man.
In Context
25Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin’ ity taranaka ity.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 17
Cross References
Genesis 6:5Ary hitan’ i Jehovah fa be ny faharatsian’ ny olona tambonin’ ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
Genesis 7:7Ary Noa sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin’ ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
Matthew 24:37Fa tahaka ny andron’ i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
Luke 17:24Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin’ ny faravodilanitra ka mahazava hatramin’ ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak’ olona amin’ ny androny,
Hebrews 11:7Finoana no nanamboaran’ i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra ny amin’ ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
2 Peter 2:5ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an’ i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin’ ny ratsy fanahy teo amin’ izao tontolo izao,―