Filazantsara araka an'i Lioka 17:29
fa tamin’ ny andro izay nivoahan’ i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
30Dia ho tahaka izany koa amin’ ny andro hisehoan’ ny Zanak’ olona.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 17
Cross References
Genesis 19:16Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan’ izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon’ i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan’ ny tanàna.
Isaiah 1:9Raha tsy nosisan’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma Ary nitovy tamin’ i Gomora.
Jeremiah 50:40Toy ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian’ olona honina any na zanak’ olombelona hivahiny any.
Amos 4:11Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin’ ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
Matthew 11:23Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.
Jude 1:7Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ ny iaretany fijaliana amin’ ny afo maharitra mandrakizay.