Filazantsara araka an'i Lioka 18:22
Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
23Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 18
Cross References
Psalms 27:4Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’ i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’ i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
Matthew 19:21Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
Luke 9:23Ary hoy koa Jesosy tamin’ izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan’ andro ka hanaraka Ahy.
Luke 10:42nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.
Luke 16:9Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ ireo ho any amin’ ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.
Acts 4:34Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin’ ny zavatra lafo,