Filazantsara araka an'i Lioka 18:9
Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin’ ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 18
Cross References
Proverbs 30:12Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ ny fahalotoany.
Isaiah 66:5Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin’ ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.
Luke 10:29Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
Luke 15:29Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’ osy aza mba hifaliako amin’ ny sakaizako;
Luke 18:11Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
John 7:47Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?