Filazantsara araka an'i Lioka 19:47
Ary nampianatra isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Izy. Fa ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
48nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 19
Cross References
Matthew 21:23Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
Matthew 26:55Ary tamin’ izany ora izany dia niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan’ andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
Mark 11:27Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
Mark 14:1Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan’ ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an’ i Jesosy tamin’ ny fitaka ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
John 7:19Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
John 8:37Fantatro ihany fa taranak’ i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo.