Filazantsara araka an'i Lioka 2:25
Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masìna dia tao aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 2
Cross References
Genesis 6:9Ary izao no tantaran’ i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Noa.
Numbers 11:29Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’ i Jehovah rehetra, ka halatsak’ i Jehovah aminy ny Fanahiny!
Job 1:8Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Efa nandinika an’ i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’ Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
Isaiah 40:1Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
Micah 6:8Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’ i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ ny fanetren-tena
Luke 1:6Ary samy marina teo anatrehan’ Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ ny Tompo.