Filazantsara araka an'i Lioka 2:26
Ary efa nambaran’ ny Fanahy Masìna taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ ny Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 2
Cross References
Psalms 2:2Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
Psalms 25:14Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
Amos 3:7Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony.
John 1:41Izy no nahita an’ i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
John 8:51Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.