Filazantsara araka an'i Lioka 2:46
Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
45Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
47Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 2
Cross References
1 Kings 12:12Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin’ ny andro fahatelo, araka ilay nolazain’ ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin’ ny andro fahatelo.
Isaiah 50:4Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay
Matthew 16:21Hatramin’ izany no vao natoron’ i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ ny andro fahatelo.
Luke 2:44ary satria nataony fa niaraka tamin’ ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ ny havany sy ny olom-pantany.
Acts 5:34Dia nitsangana teo amin’ ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.