Filazantsara araka an'i Lioka 20:35
fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
34Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak’ izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 20
Cross References
Daniel 12:2Ary maro amin’ izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
Matthew 22:29Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna na ny herin’ Andriamanitra.
Luke 21:36Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona.
Acts 5:41Ary ireo dia niala teo anatrehan’ ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’ izany anarana izany.
2 Thessalonians 1:5famantarana ny fitsarana marin’ Andriamanitra izany ― mba hatao ho miendrika ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo
Revelation 3:4Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy.