Filazantsara araka an'i Lioka 21:22
Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For these be the days of vengeance, that all things which are written may be fulfilled.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 21
Cross References
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Deuteronomy 32:34Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?
Psalms 69:22Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.
Isaiah 34:8Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an’ i Ziona.
Isaiah 63:4Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan’ ny voavotro.
Jeremiah 51:6Mandosira hiala an’ i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian’ i Jehovah, Izy no hamaly azy.