Filazantsara araka an'i Lioka 22:20
Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ ny rako, izay aidina ho anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Fa, indro, ny tànan’ izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin’ ny latabatra.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 22
Cross References
Jeremiah 31:31Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda,
Matthew 26:28fa ity no rako, dia ny amin’ ny fanekena, izay alatsaka ho an’ ny maro ho famelan-keloka.
1 Corinthians 11:25Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.
Hebrews 8:6Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ ny teny fikasana tsara lavitra.
Hebrews 9:17Fa mafy ny didim-pananana, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy.
Hebrews 13:20Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’ i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ ny maty, mitondra ny ran’ ny fanekena mandrakizay,