Filazantsara araka an'i Lioka 22:32
Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 22
Cross References
Psalms 32:3Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva,
Zechariah 3:2Ary hoy Jehovah tamin’ i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an’ i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin’ ny afo va ity?
Matthew 26:75Ary Petera nahatsiaro ny tenin’ i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
Mark 16:7Fa mandehana, lazao amin’ ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.
Luke 22:61Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’ i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.
John 17:9Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’ izao tontolo izao Aho, fa ho an’ izay nomenao Ahy, satria Anao izy.