Filazantsara araka an'i Lioka 22:44
Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
43Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
45Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ ny mpianatra ka nahita azy matorin’ alahelo.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 22
Cross References
Genesis 32:24Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin’ ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
Psalms 22:12Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
Psalms 69:14Fa izaho hivavaka aminao amin’ ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao, Andriamanitra ô noho ny haben’ ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan’ ny famonjenao.
Psalms 130:1Fihirana fiakarana. Tao amin’ ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
Isaiah 53:10Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Lamentations 3:53Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.