Filazantsara araka an'i Lioka 23:43
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Jesus said unto him, Verily I say unto thee, To day shalt thou be with me in paradise.
In Context
42Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 23
Cross References
Psalms 32:5Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin’ i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. [Sela.]
Isaiah 1:18Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ ondry fotsy.
Isaiah 55:6Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
Micah 7:18Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
Luke 15:4Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
Luke 19:10Fa efa tonga ny Zanak’ olona hitady sy hamonjy ny very.