Filazantsara araka an'i Lioka 23:46
Ary niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
45satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin’ ny tempoly.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 23
Cross References
Matthew 27:46Ary nony tokony ho tamin’ ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?.
John 19:30Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
1 Peter 2:23raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ ny Mpitsara marina;