Filazantsara araka an'i Lioka 24:19
Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ ny asa sy ny teny teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 24
Cross References
Mark 1:24ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.
John 3:2Izy nankao amin’ i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
John 6:14Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’ i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin’ izao tontolo izao.
John 7:52Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.
Acts 7:22Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ ny Egyptiana, ary nahery tamin’ ny teniny sy ny asany izy.