Filazantsara araka an'i Lioka 24:5
Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 24
Cross References
Daniel 8:17Ary dia nankeo amin’ ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’ olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.
Daniel 10:16Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak’ olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin’ ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon’ ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony.
Matthew 28:3Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;
Luke 1:12Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
Acts 10:3Ary izy nahita miharihary tamin’ ny fahitana, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin’ Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio.
Revelation 1:18dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.