Filazantsara araka an'i Lioka 3:1
Ary tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 3
Cross References
Genesis 49:10Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
Matthew 14:3Fa Heroda efa nisambotra an’ i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin’ i Herodiasy, vadin’ i Filipo rahalahiny.
Mark 6:17Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an’ i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin’ i Herodiasy vadin’ i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.
Luke 3:19Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin’ i Jaona noho ny amin’ i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
Luke 23:1Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an’ i Jesosy tany amin’ i Pilato,
Luke 23:24Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny.