Filazantsara araka an'i Lioka 3:23
Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak’ i Josefa, izay zanak’ i Hely,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24zanak’ i Matata, zanak’ i Levy, zanak’ i Melky, zanak’ i Janay, zanak’ i Josefa,
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 3
Cross References
Genesis 41:46Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta. Dia niala teo anatrehan’ i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.
Numbers 4:35hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin’ ny antokony hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
Numbers 4:43hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin’ ny antokony, hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana,
Matthew 1:1Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama.
Matthew 1:16ary Jakoba niteraka an’ i Josefa, vadin’ i Maria; ary Maria niteraka an’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
Matthew 13:55Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran’ ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny?