Filazantsara araka an'i Lioka 4:1
Ary Jesosy feno ny Fanahy Masìna dia niverina avy tany Jordana, ary nentin’ ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 4
Cross References
1 Kings 18:12Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin’ ny Fanahin’ i Jehovah any amin’ izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’ i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an’ i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
Isaiah 11:2Ary ny fanahin’ i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ ny fahalalana sy ny fahatahorana an’ i Jehovah;
Ezekiel 3:14Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra tamin’ ny fahavontosan’ ny fanahiko; ary ny tànan’ i Jehovah dia nahery tao amiko.
Matthew 4:1Ary Jesosy dia nentin’ ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain’ ny devoly fanahy.
Luke 2:27Ary nentin’ ny Fanahy Masìna niditra teo an-kianjan’ ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin’ ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban’ ny lalàna ny amin’ ny zaza,
Luke 3:21Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;