Filazantsara araka an'i Lioka 4:18
Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Hitory ny taona ankasitrahan’ i Jehovah.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 4
Cross References
Genesis 3:15Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
Psalms 2:2Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
Psalms 34:18Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra.
Psalms 51:17Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
Psalms 107:10Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
Psalms 147:3Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.