Filazantsara araka an'i Lioka 4:43
Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra any amin’ ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
44Ary Izy nitori-teny tao amin’ ny synagoga eran’ i Galilia.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 4
Cross References
Isaiah 42:1Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an’ ny jentilisa Izy.
Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
Mark 1:38Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin’ ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
John 9:4Isika tsy maintsy manao ny asan’ izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
Acts 10:38Izay nohosoran’ Andriamanitra tamin’ ny Fanahy Masìna sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ ny herin’ ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.