Filazantsara araka an'i Lioka 4:8
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 4
Cross References
Deuteronomy 10:20Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
2 Kings 19:15Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Isaiah 2:11Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
Matthew 16:23Fa Izy nihodina ka niteny tamin’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.
James 4:7Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
Revelation 19:10Dia niankohoka teo amin’ ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an’ i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an’ i Jesosy no fanahin’ ny faminaniana.