Filazantsara araka an'i Lioka 5:19
Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin’ ny fandriany ho eo afovoan’ ny olona, dia teo anatrehan’ i Jesosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Ary raha hitan’ i Jesosy ny finoan’ ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 5
Cross References
2 Samuel 11:2Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
Matthew 10:27Izay lazaiko aminareo ao amin’ ny maizina, dia ambarao eo amin’ ny mazava, ary izay ren’ ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ ny tampon-trano.
Mark 2:4Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon’ ny trano nitoeran’ i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ ilay nararin’ ny paralysisa.