Filazantsara araka an'i Lioka 5:24
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka ― dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 5
Cross References
Daniel 7:13Ary mbola nahita tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’ olona avy tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ary nankeo amin’ ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
Matthew 16:13Ary rehefa tonga tany amin’ ny faritanin’ i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa ny Zanak’ olona?
Matthew 26:64Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
Luke 5:13Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary ny habokany niala taminy niaraka tamin’ izay.
Luke 8:54Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.
John 5:8Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.