Filazantsara araka an'i Lioka 6:1
Ary tamin’ ny Sabata anankiray dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin’ ny tànany, dia nohaniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata?
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 6
Cross References
Exodus 12:15Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely.
Leviticus 23:10Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin’ ny voaloham-bokatrareo ho any amin’ ny mpisorona ianareo;
Deuteronomy 16:9Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin’ ny andro iandohan’ ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
Matthew 12:1Tamin’ izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin’ ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.