Filazantsara araka an'i Lioka 6:20
Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin’ ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 6
Cross References
1 Samuel 2:8Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin’ ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin’ ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an’ i Jehovah ny andrin’ ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.
Psalms 113:7Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika,
Proverbs 19:1Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin’ ny molony sady adala.
Isaiah 57:15Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masìna no anarany: Ao amin’ ny fitoerana avo sy masìna no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo;
Zephaniah 3:12Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran’ i Jehovah no hialofany,
Matthew 5:2Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe: