Filazantsara araka an'i Lioka 6:22
Sambatra ianareo, raha halan’ ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ ny Zanak’ olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 6
Cross References
Isaiah 65:5Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masìna, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
Matthew 5:10Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Matthew 10:22Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
Mark 13:9Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin’ ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
Luke 21:17Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
John 9:22Izany teny izany no nolazain’ ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin’ ny synagoga.