Filazantsara araka an'i Lioka 6:29
Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’ izay manisy ratsy anareo.
30Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 6
Cross References
2 Chronicles 18:23Fa Zedekia, zanak’ i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak’ i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no lalana nialan’ ny Fanahin’ i Jehovah tamiko hiteny aminao?
Lamentations 3:30Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
Matthew 5:39Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
Matthew 26:67Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
John 18:22Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an’ i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe?
1 Corinthians 4:11Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay;