Filazantsara araka an'i Lioka 6:35
Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin’ inona na amin’ inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin’ izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
36Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 6
Cross References
Leviticus 25:35Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
Psalms 112:5Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
Proverbs 19:17Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’ i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
Matthew 5:44Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’ izay manenjika anareo,
Luke 1:32Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’ i Davida rainy;
John 13:35Izany no hahafantaran’ ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.