Filazantsara araka an'i Lioka 6:6
Ary nony tamin’ ny Sabata hafa koa niditra tao amin’ ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tanana tao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ary hoy Izy taminy: Tompon’ ny Sabata ny Zanak’ olona.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 6
Cross References
1 Kings 13:4Ary nony ren’ i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin’ ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
Matthew 4:23Ary Jesosy nandeha eran’ i Galilia ka nampianatra tao amin’ ny synagogan’ ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra tamin’ ny olona.
Mark 3:1Ary niditra tao amin’ ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty tanana teo.
Luke 4:31Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin’ ny Sabata.
Luke 13:10Ary nampianatra tao amin’ ny synagoga anankiray Jesosy tamin’ ny Sabata.
Luke 14:3Ary Jesosy namaly ka nanao tamin’ ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata, sa tsia?