Filazantsara araka an'i Lioka 7:22
Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’ i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 7
Cross References
Psalms 146:8Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
Isaiah 32:3Ary tsy hikimpy ny mason’ izay mahita, ary ny sofin’ izay mandre dia hihaino.
Isaiah 42:6Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin’ ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
Isaiah 43:8Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina.
Jeremiah 31:8Indro, hitondra azy avy any amin’ ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin’ ny faran’ ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan’ anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
Matthew 9:28Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.