Filazantsara araka an'i Lioka 7:33
Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For John the Baptist came neither eating bread nor drinking wine; and ye say, He hath a devil.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 7
Cross References
Jeremiah 16:8Ary aza miditra ao amin’ ny trano misy fanasana koa ianao, hiara-mitoetra aminy hihinana sy hisotro.
Matthew 10:25Fa ampy amin’ ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
Luke 1:15Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masìna hatrany an-kibon-dreniny aza.
John 8:52Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.
Acts 2:13Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.