Filazantsara araka an'i Lioka 7:41
Nisy roa lahy nananan’ ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 7
Cross References
Isaiah 50:1Izao no lazain’ i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin’ izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
Matthew 6:12Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
Matthew 18:28Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.
Luke 11:4Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy.
Luke 13:4Ary ireny valo ambin’ ny folo ireny, izay nianjeran’ ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
Romans 3:23fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra,