Filazantsara araka an'i Lioka 7:8
Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin’ ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin’ ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin’ ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 7
Cross References
Acts 22:25Ary raha namatotra azy tamin’ ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin’ ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina?
Acts 23:23Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin’ ny ora fahatelo;
Acts 23:31Dia nalain’ ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin’ iny alina iny ho any Antipatria.
Acts 25:26Ny amin’ io lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin’ ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako.
1 Timothy 6:1Aoka izay andevo rehetra eo ambanin’ ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra sy ny fampianarana.