Filazantsara araka an'i Lioka 8:1
Ary taoriana kelin’ izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ ny fanjakan’ Andriamanitra; ary ny roa ambin’ ny folo lahy nanaraka Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 8
Cross References
Matthew 4:23Ary Jesosy nandeha eran’ i Galilia ka nampianatra tao amin’ ny synagogan’ ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra tamin’ ny olona.
Matthew 10:2Ary izao no anaran’ ny Apostoly roa ambin’ ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
Matthew 13:19Raha misy mandre ny tenin’ ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.
Mark 3:16Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
Luke 4:18Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
Luke 6:14dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartelemeo