Filazantsara araka an'i Lioka 8:10
Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; fa amin’ ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin’ izay hevitr’ izany fanoharana izany.
11Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin’ Andriamanitra.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 8
Cross References
Psalms 25:14Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
Isaiah 29:14Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin’ ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ ny mazava sainany.
Jeremiah 5:21Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre:
Matthew 13:11Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.
Mark 4:11Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; fa amin’ ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ ny fanoharana;
John 12:40Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho.