Filazantsara araka an'i Lioka 8:25
Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Dia nitody tany amin’ ny tanin’ ny Gerasena izay tandrifin’ i Galilia izy.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 8
Cross References
Joshua 10:12Ary tamin’ izany Josoa dia niteny tamin’ i Jehovah tamin’ ny andro nanoloran’ i Jehovah ny Amorita teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ka nanao teo imason’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’ i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan’ i Aialona.
Proverbs 8:29Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany,
Matthew 6:30Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?
Matthew 14:31Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’ izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?
Mark 4:40Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?
John 11:40Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra?