Filazantsara araka an'i Lioka 8:32
Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
31Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin’ ny lavaka tsy hita noanoa.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 8
Cross References
1 Kings 22:22Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
Job 1:12Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan’ i Jehovah.
Psalms 62:11Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.
Isaiah 66:3Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon’ alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan’ ireny ny halehany, Sy ny nifalian’ ny fanahiny tamin’ ny fahavetavetany,
Mark 5:11Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin’ ny tendrombohitra.
1 John 4:4Anaka, ianareo dia avy amin’ Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’ izao tontolo izao.