Filazantsara araka an'i Lioka 8:35
Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin’ i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan’ ny tongotr’ i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
36Ary izay efa nahita dia nanambara tamin’ ny olona ny namonjena an’ ilay demoniaka.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 8
Cross References
Psalms 51:10Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.
Isaiah 53:12Koa dia hanome Azy anjara amin’ ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin’ ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan’ ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ ny maro sady manao fifonana ho an’ ny mpanota.
Luke 2:46Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
Luke 10:39Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan’ ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
Acts 22:3Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin’ ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ ny tongotr’ i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an’ Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.
1 John 3:8Izay manota dia avy amin’ ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ ny voalohany. Izao no nisehoan’ ny Zanak’ Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ ny devoly.