Filazantsara araka an'i Lioka 8:42
Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin’ ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety lalana Azy ny vahoaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 8
Cross References
Genesis 44:20Ary hoy izahay tamin’ itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian’ ny rainy izy.
Job 4:20Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
Psalms 103:15Tahaka ny ahitra ny andron’ ny zanak’ olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
Ezekiel 24:16Ry zanak’ olona, indro, efa hesoriko amin’ ny loza indray mamely monja ilay tian’ ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
Zechariah 12:10Ary haidiko amin’ ny taranak’ i Davida sy amin’ ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ ny olona ny lahimatoany.
Luke 7:12Ary rehefa mby teo akaikin’ ny vavahadin’ ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin’ ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan’ ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.