Filazantsara araka an'i Lioka 8:44
Dia nankao ivohon’ i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin’ izay dia nijanona ny aretiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Came behind him, and touched the border of his garment: and immediately her issue of blood stanched.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 8
Cross References
Exodus 15:26ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
Matthew 20:34Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin’ izay izy, dia nanaraka an’ i Jesosy.
Mark 6:56Ary na taiza na taiza no nidiran’ i Jesosy, na tao amin’ ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.
Luke 13:13Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra.
Acts 5:15ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon’ ny tandindon’ i Petera ahay, raha mandalo izy.