Filazantsara araka an'i Lioka 9:1
Ary Jesosy niantso ny roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan’ Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 9
Cross References
Matthew 16:19Homeko anao ny fanalahidin’ ny fanjakan’ ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra.
Mark 6:7Ary niantso ny roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.
Luke 6:13Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,
John 14:12Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray.
Acts 3:16Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
Acts 9:34Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin’ izay izy.