Filazantsara araka an'i Lioka 9:11
Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 9
Cross References
Matthew 14:14Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
Matthew 21:43Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’ Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
Luke 1:53Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.
Luke 8:1Ary taoriana kelin’ izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ ny fanjakan’ Andriamanitra; ary ny roa ambin’ ny folo lahy nanaraka Azy.
Luke 9:2Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan’ Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
John 6:37Izay rehetra omen’ ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.