Filazantsara araka an'i Lioka 9:16
Ary rehefa noraisin’ i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan’ ny vahoaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 9
Cross References
Psalms 121:1Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?
Matthew 15:36Dia nandray ny mofo fito mbamin’ ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an’ ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka.
Luke 22:19Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
John 6:11Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’ izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
Acts 27:35Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an’ Andriamanitra teo anatrehan’ ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
1 Corinthians 10:30Fa raha amin’ ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin’ izay anaovako fisaorana?