Filazantsara araka an'i Lioka 9:25
Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na matiantoka, izany izy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For what is a man advantaged, if he gain the whole world, and lose himself, or be cast away?
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 9
Cross References
Matthew 13:48ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.
Matthew 16:26Fa inona moa no soa ho azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
Mark 9:43Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ ny helo, dia any amin’ ny afo tsy azo vonoina.
Luke 12:19Dia hilaza amin’ ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
Acts 1:18Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ ny tambin’ ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
1 Corinthians 9:27fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.