Filazantsara araka an'i Lioka 9:32
Ary efa navesatry ny tory ny mason’ i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’ i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
31izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 9
Cross References
Exodus 33:18Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Isaiah 60:19Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
Daniel 10:9Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin’ ny tany.
Luke 22:45Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ ny mpianatra ka nahita azy matorin’ alahelo.
John 17:24Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao.
1 John 3:2Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’ Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.