Filazantsara araka an'i Lioka 9:43
Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan’ Andriamanitra. Ny nilazan’ i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin’ izay rehetra nataon’ i Jesosy, dia hoy Izy tamin’ ny mpianany:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 9
Cross References
Psalms 139:14Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Matthew 17:22Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe: Ny Zanak’ olona efa hatolotra ho eo an-tànan’ ny olona
Mark 9:30Dia niala teo izy ka nizotra namaky an’ i Galilia, ary tsy tian’ i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
Luke 5:9Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ ny hazandrano izay azony.
Luke 8:25Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
Acts 3:10Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin’ ny vavahady Itsaraendrika eo amin’ ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.