Filazantsara araka an'i Lioka 9:47
Ary Jesosy nahalala ny fisainan’ ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Jesus, perceiving the thought of their heart, took a child, and set him by him,
In Context
46Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin’ izay ho lehibe ao aminy.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 9
Cross References
Psalms 139:23Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
Matthew 9:4Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Matthew 19:13Ary tamin’ izany dia nisy zazakely nentina teo amin’ i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
Luke 5:22Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
John 2:25ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ ny olona.
John 21:17Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak’ i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.